Inona avy ireo karazana tontona?
1. «cagnotte publique tontona ho an'ny be sy ny maro» : ny mpandray anjara rehetra dia afaka mahita ny tontonao rehefa mampiasa aterineto na tsy mahazo ny rohy fanasana aza. Manamora ny fizarana ny tontonao (amin'ny tambajotra sosialy, ny lisitr'olom-pantatrao) izany.
2. «tontona manokana», tsy ho hita amin'ny alalan'ny aterineto ny tontonao ary ny olona nahazo rohy fanasana ihany no ho tafiditra ao
Misy fepetra tsy maintsy ve rehefa hamorona tontona?
Tsy misy fepetra manokana, ankoatran'ny hoe tsy maintsy feno 18 taona. Angatahina ny karapanondrom-pirenena na pasipaoro alohan'ny hivoahan'ny tontona firaisankina, ary amin'ny fotoana handraisana ny vola ho an'ny tontona manokana. Hamarinina ao anatin'ny 48 ora fiasana ny tontona firaisankina alohan'ny hivoahany.
Tsy misy vola ambany indrindra na ambany indridra takiana Na izany aza anefa, manome toky izahay hanakatona avy hatrany ny tontona na izay mety ho resaka misy herisetra, fanavakavaham-bolokoditra na sary mamoafady
Misy sarany ve ny famoronana tontona?
Tsy misy sarany alain'y kotikota.com eo am-pamoronana tontona.
Ny saran'ny fikirakirana ihany no alaina rehefa hanakatona ny tontona. Izany dia 3 % ny vola voaangona ho an'ny tontona manokana, ary 6 % ho an'ny tontona firaisankina
Rehefa toe-javatra tahaka ny inona aho no tsy maintsy manome fanamarinana?
Amin'ny ady atao amin'ny hosoka, ny famotsiam-bola ary ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana, dia didian'ny lalàna izahay hanamarinana ny taratasy momba anao ary mitaky foana fanamarinana ny momba anao eo am-pamoronana tontona Izay fomba fanao izay no ahafahanay manamarina sy manaiky ny kaontinao mba ahazoanao misitraka tanteraka am-pitoniana sy tsy misy ahiahy ny tolotra omenay
Mety hisy taratasy fanamarinana hafa ho takiana aminao eo amin'ny fandaniana raha tontona ho an'ny be sy ny maro (ohatra : tetik'asa iombonana na fandraharana). Izay no atao dia mba ahazoanay antoka fa ny vola voaangona dia ho ampiasaina mifanaraka amin'ilay zavatra ilana vola na ilay tetik'asa nahatonga anao namorona ilay tontona
Mila manana kaonty ve raha hamorona tontona?
Eny, tsy maintsy mamorona kaonty ianao rehefa hamorona tontona. mba ahafahanay manome tolotra azo antoka
Ahoana ny fomba famoronana Kaonty KOTI-KOTA?
Mandeha eo amin'ny pejy fandraisana ianao, dia manindry ny hoe "Misoratra anarana/Miditra. Telopolo segondra ihany dia ampya hamenoanao ny mombamoba anao rehetra (Anarana, fanampin'anarana, adiresy e-mail,etc...)
Raha vao vita izay dia ahazo -mail avy hatrany ianao manamafy izay fisoratanao anarana izay sy hanamarinana ny e-mail nao
Afaka manindry ny ""Facebook connect" koa ianao na ny "Google connect" raha hanao fisoratana anarana eo no eo.
Ahoana ny fomba atao raha te-hanao tontona mifanaraka amin'ny safidiko manokana aho?
Eo am-pamoronana ny tontona dia efa mandeha ho azy izay (Sary fanampiny, famariparitana ny vola itambarana). afaka ovainao izay na rahoviana na rahoviana
Mazava loatra fa ny tontona voafariparitra tsara (sary + famariparitana mahasarika tsara) dia mahasintona ny olona kokoa.
Amin'ny fotoana manao ahoana no omeko ny antsipiriany momba ny kaontiko (banky)
Azonao atao amin'ny fotoana rehetra izay, eo amin'ny hoe "RIB".
Inona ny karazana fandraisana anjara isafidianana?
Misy karazany telo : malalaka, atoro ary raikitra
Fandraisana anjara malalaka : avelanao ny tsirairay hanapaka hevitra amin'ny vola fandraisany anjara.
Fandraisana anjara atoro : manome sosokevtitra ianao mikasika ny vola fandraisana anjara tena mety indrindra. Na izany aza anefa, malalaka ny tsirairay hametraka mihoatra na latsaka.
Fandraisana anjara raikitra : mitovy foana ny vola apetraky ny mpandray anjara.
Inona no mitranga raha tsy tratra ny fetra nokasaina?
Rehafa mikatona ny tontona, dia tsy misy afaka mandray anjara intsony
Aza manahy anefa satria napetraka ho fampahalalana ny fetra tiana ho tratrarina. Raha tsy tratra anefa io fetra io dia tsy maintsy omena anao ihany ny tontona rehefa tonga ny fotoana Raha misy fangatana fanonerana avy amin'ny mpandray anjara iray, dia ilay olona nandray ny vola azo avy amin'ilay tontona ihany (ilay namorona azy na ilay nahazo ny tombotsoa avy amin'ny tontona araky ny safidy tany aloha) no hany tompon'andraikitra eo amin'ny fanaovana izay fanonerana mpandray anjara izay. Amin'ny tranga rehetra, dia mijanona ho anay ny saran'ny fampandehan-draharaha ary tsy averina aminao (6% ny tontona)
Iza ny olona afaka mitsoka ao amin'ny tontoko?
Manana karazany roa ianao :
1. « tontona ho an'ny be sy ny maro », ny mpandray anjara rehetra dia afaka mahita ny tontonao rehefa mampiasa aterineto na tsy mahazo ny rohy fanasana aza. Amin'izay dia afaka mandefa azy ho hitan'ny olona amin'ny tambazotra sosialy koa.
2. « tontona manokanav » : tsy ho hita amin'ny alalan'ny aterineto ny tontonao ary ny olona nahazo rohy fanasana ihany no ho tafiditra ao.
Iza avy no mety mahita ny mpandray anjara amin'ny tontoko?
Ny olona rehetra dia afaka mahita daholo an'ireo izay nandray anjara amin'ny tontona, raha tsy hoe angaha nisafidy atao "tsy fantatr'anarana" ilay mpandray anjara na nataonao tsy mivoaka ho hitan'ny be sy ny maro ny anaran'ny mpndray tamin'ny ianao namorona ny tontona.
Iza no mety mahita ny tontoko?
Ny olona rehetra dia afaka mahita daholo ny tontalin'ny tontonao, raha tsy hoe angaha nataonao tsy mivoaka ho hitan'ny mpandray anjara tamin'ny ianao namorona azy.
Ahoana ny fomba anasana mpandray anjara?
Nametrahanay rohy fidirana tokana eo amin'ny pejin'ny tontonao :
Misy fomba telo no ahafahanao manasa olona handray anjara :
Manindry ilay sary kely Facebook, na Whatsapp na Twitter (raha manana kaonty amin'ny iray amin'ireo tambazotra ireo ianao)
Manindry eo amin'ilay hoe « e-mail »,
Adika/Apetaka ilay rohy fidirana tokana ary alefa any amin'ny namanao amin'ny alalan'ny tambazotra sosialy nosafidianao
Ahoana ny atao raha hampiditra lisitr'olom-pantatra?
Trindrio eo amin'ilay hoe "Manasa" eo amin'ny pejin'ny tontonao, avy eo soraty ilay lisitra na maka lisitra efa vita.
Ny dingana arahina
Mamoròna
ny tontonao: lohateny, sary, tanjona
Zarao
ny rohy amin'ny WhatsApp na Facebook
Raiso
ny vola amin'ny Orange Money, PayPal na famindrana amin'ny banky